Hetsika efa ahafantarana ny klioban’ny Saint Michel isan-taona, ny fifaninanana “Vive l’Avenir”, ho an’ny taranja lomano. Raikitra indray ny fifaninanana amin’ity taona 2023 ity, ka hotanterahina rahampitso sabotsy sy ny alahady izao, ny andiany faha-11, eny amin’ny ANS Ampefiloha. Manodidina ny 230 eo ny mpilomano andrasana, izay nanasana ireo klioba rehetra manerana ny Nosy, avy amin’ny ligim-paritra eo anivon’ny federasiona malagasin’ny lomano. Amin’ny maha «Avenir» azy, voakasika amin’ity fifaninanana ity avokoa ny sokajy rehetra, manomboka amin’ny sokajy Poussins, Benjamins, Minimes, Cadets, Juniors ary Seniors. Hampiavaka ity andiany faha-11 ity ny fisian’ny «course nocturne», izay hatao amin’ny alina, ka hanomboka amin’ny 8 ora alina izany, araka ny fanazavan’ny Sekretera jeneralin’ny klioban’i Saint Michel, Randriamampianina Helena. Tanjona, hoy izy, ny hampisandratana ireo mpilomano zandriny sy hijerena sahady ny taniketsan’ny taranja lomano. Hanomezana voninahitra ihany koa ireo mpilomano efa sangany.
Araka ny fandaharam-potoana, amin’ny 12 ora sy sasany atoandro no hanomboka ny fifaninanana, rahampitso sabotsy. Hotanterahina amin’io sabotsy io ihany koa ilay «course nocturne». Ho amin’ny alahady kosa, hanomboka amin’ny 8 ora maraina ny fifaninanana ary hatao amin’ny 12 ora atoandro ny fizarana ny amboara.
Mi.Raz