Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina : olona valo maty, fito hafa naratra mafy

Sempotry ny rano, voa­tsindrin’ny entana, ratra mafy. Toy izany ny fomba nahafaty ireo mpandeha valo tao ana­tin’ilay taksiborosy tra-doza afakomaly, teny amin’ny la­lam-pirenena faha 10. Ni­trangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo amin’ny tetezana Mahariry, fokontany Manakaralahy, kaominina Ejeda, distrikan’Ampanihy, afakomaly tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Tra-doza tamin’izany ny taksiborosy mampitohy an’i Toliara sy Taola­gnaro. Vokany, olona valo indray namoy ny ainy, ankizy ny telo tamin’ireo. Ankoatra izay, olona fito hafa koa naratra mafy ka vehivavy bevohoka ny iray tamin’izany. Ta­min’io fotoana io, niala lavaka teo amin’ilay tetezam-bato ilay karandalana ka nikisaka nihankavanan-dalana ny fiara. Nalemy anefa ny tandrify an’ireo kodiarana ka nivadika ity fiarabe mpitatitra ity. Tra-doza tamin’izay ireo mpandeha tao anatiny.

Niantso vonjy
Fotoana fohy taorian’ny tranga, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Navoaka haingana ny mpandeha rehetra raha nalefa vonjimaika tany amin’ny hopitaly Ejeda ireo naratra rehetra. Tsy hita ihany koa ny mpamily taorian’ny loza. “Tsy marina ny filazana fa nitsoaka ilay mpamily sy ny tompon’ny fiara. Nandeha nitady vonjy tamin’ny tanàna tsy lavitra teo izy roa lahy ka hita tany an-toerana ihany”, hoy ny fanazavan’ireo zandary mpanao famotorana. Taorian’izay, voasambotra izy ireo ka notanana sy hatao fanadihadiana. Ireo vata-mangatsiaka kosa nalefa any amin’ny tranom-pokonolona ao Ejeda. Tonga nanao vonjy aina ihany koa ny tomponandraikitra samihafa ao Ejeda.
Ankehitriny, miantso ny havany monina ao Tsihombe ny raim-pianakaviana iray namoy zanaka mba ho tonga ao Ejeda manoloana ity loza ity. Manao antso avo ny tomponandraiki-pankajana ireo mpampiasa ny lalana mba hamboatra izany hisorohana ny loza toy izao. Nam­baran’ ireo mponina any an-toerana mantsy fa efa potika tanteraka ny lalam-pirenena faha 10. Hatramin’izao mbola mampiasa ity tetezana namoa-doza ity ny fiara rehefa mivezivezy noho ny tsy fisian’ny lalan-kafa, hoy hatrany ny zandary. Nambarany fa mihafihafy avokoa ny fiara raha nototofana vato kosa ireo lavaka teo amin’ilay tetezana.

Henintsoa Hani

Partager sur: