“Tsy ampy ny isan’ny mpitsara…”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, taorian’ny fotoam-pitsarana nanombohana ny taom-pitsarana, taona 2023, teny Anosy, omaly. Miasa mafy ny mpitsara amin’izay tsy fahampiana isa izay. Mbola tohizana ny ezaka amin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana. Eo ny raharaha ady tany, ny ady heloka, ny famoahana didy amin’ny fanomezana kopia faobe…
Tsy ho ela ny famoahana drafitrasa momba ny raharaha ady tany. Eto Antananarivo no hanombohana azy. Omaly sy anio ihany no tsy misy ny fotoam-pitsarana. Misokatra indray izany amin’ ny alatsinainy izao. Tombony lehibe ny fiatoan’ny fotoam-pitsarana, nahazoana mahalala ankapoben’ny asa vita sy ny paikadin’ireo rantsana sy ambaratongam-pitsarana amin’ny hoavy. Fantatra hatramin’ireo fitsarana manodidina izany. Mila jerena ny teo aloha mba hahazoana manatsara ny hoavy.
R. Nd.