OMM : anisan’ny rivo­doza naharitra indrindra i Freddy

Raha ny fandalinana na­taon’ireo manam-pahaizana ao amin’ny Organisation mé­téorologique mondiale (OMM) dia anisan’ny rivodoza naharitra indrindra ary ela vao levona ilay rivodoza Freddy nanafika an’i Mada­gasikara nisesy teo.
Anisan’ny rivodoza na­hafaty olona betsaka ary na­nimba zavatra maro ihany koa i Freddy. Nampitondra takaitra firenena maromaro ihany koa izy ary anisan’izany i Mada­gasikara sy Mo­zambika izay ravarava sy dibo-drano ny faritra sasantsasany.
Tsy mbola afa-bela amin’ny orambe sy ny rivotra entiny ny ao Mozambika ary ma­nambana hiverina any indray izy amin’ny faran’ny herinandro.
Naharitra amam-bolana ny fahaveloman’i Freddy (35 andro). Niala tany amin’ny morontsiraka avaratra andrefan’i Aostralia no niforonany ary nitety ny ranomasimbe Indianina ka izao tamana ao amin’ny lakandranon’i Mo­zambika izao.
Ho an’ny teto Mada­ga­sikara, ny tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana no tena lasibatra ary tanàna maro no fefiky ny rano tamin’ny fi­verenany teo.

Tatiana A

Partager sur: