Pavillon Analakely : tontosa ny famindram-pitantanana

Tontosa, omaly, tetsy amin’ ny Tranompokonolona Anala­kely, ny famindram-pitantanana eo amin’ny Filohan’ny fi­kambanan’ny mpivarotra ta­loha sy vaovao eo anivon’ny Pavillon Analakely. Nanaton­tosa izany ny filoha taloha, Rtoa Sarah sy ny filoha vaovao, Atoa Rakotonirina Clau­de. Toarian’ny disadisa teo amin’ireo mpivarotra, tsy na­naiky ny SMGD. Niroso tamin’ ny fifidianana ny ho filohany sy ny birao manampy azy izy ireo ny 3 marsa lasa teo. Lany tamin’izany Atoa Rakotoni­rina Claude, filoha hitantana indray ny tsena sy ny mpivarotra rehetra manomboka izao. Marihina fa mpivarotra ara-dalàna 345 ireo tonga nanatanteraka fifidianana. Tonga nanatrika ny lanonana teny an- toerana ny komitim-pifidianana eo anivon’ny tsena sy ireo solontenan’ny mpivarotra.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: