Hotontosaina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny fampisehoana goavana hataon’i Tayc, mpanakanto frantsay miangaly ny gadona R&B. Fampisehoana iarahany amin’ny mpanakanto kalaza malagasy. “Vonona ny mpikarakara hanome fampisehoana mendrika ny mpankafy sy ity mpanakanto iraisam-pirenena ity”, hoy i Vincent, solontenan’ny mpikarakara. Ankoatra ny fampisehoana, hisy ny fitsidihana hatao eny amin’ny Akany Avoko Faravohitra, iarahana amin’ny mpanohana samihafa.
Anisan’ny mpanakanto miangaly ny gadona ankafizin’ny tanora ankehitriny i Tayc. Hira tena tsy afaka am-bavan’ny mpankafy azy ary faheno eny rehetra eny ny “Dodo”. Mampiavaka azy ny fanaovany hira mihetsiketsika. “Efa fotoana ela no nanirina ny hanao hetsika eto Madagasikara. Maro ny malagasy nangataka ny hanatanterahina hetsika eto. Vonona ny ekipa hanome seho ho an’ny malagasy”, hoy i Tayc. Hanomboka amin’ny 6 ora hariva ny fampisehoana. Mpanakanto malagasy sahala amin’i Shyn sy Denise, Gaej, Rim-ka no hanao ny tapany voalohany amin’ny fampisehoana. Tayc sy ny ekipany kosa no hanafana ny tapany faharoa.
I Julien Bouadjie no tena anarany fa Tayc, azo avy amin’ny hoe “Take All You Can”, no anarana entiny miantsehatra. Efa hatramin’ny fahakeliny izy no nilona teo amin’ny sehatry ny kanto. Tamin’izany anefa dia ny teatra sy ny dihy no tena nahalina azy. Ny taona 2012 izy vao niditra teo amin’ny sehatry ny mozika, ary ny taona 2017 no nanao ny hirany voalohany.
Lin (Mpianatra asa)