Takaitran’ny rivodoza any Menabe : nitondra fanampiana ho an’ny traboina ny MMM

«Tsy haiko ny tsy hitsidika ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza «Freddy» Nitondra ny kely azo nentina izahay, ho fanamaivanana ny fahasahiranantsika mpiray taninjanaka amintsika, amin’izao voin-kava mahatratra izao», hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, nitsidika ny tany Morondava, afakomaly.
Etsy andaniny, namory ireo mpikambana eo ani­von’ny MMM tany an-toerana ny tenany. Nambarany tamin’izany fa miova sy mivoatra ny andavan’androm-piainan’ny Malagasy.
Miova rahateo ny tontolo ankapobeny misy antsika ka mitaky fanavaozana mba tsy ho tara na tavela. «Antony mahatonga anay resy lahatra fa mila mivoatra manaraka izany koa ny vahaolana entina, ary ilàna politika sahisahy sy hentitra. Tsy mi­vaona amin’izany ny fitsinjaram-pahefana, foto-kevitra «Doctrine» hijoroan’ny MMM», hoy ihany izy. Mila ampanarahana ny toetrandro koa ka mahatonga azy ireo mitety faritra. Miresaka, miady hevitra, mitady ny fomba hanatsarana izany.

Synèse R.

Partager sur: