Talen-tsekoly novonoina : notsatohana antsy izy mianaka

Roa andro tsy nivoaka ny trano. Maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay ramatoa talen’ny Epp ao Antanimena, kaominina Manakambahiny andrefana sy ny zanany vavikely.

Tranga mampalahelo. Hita faty omaly, tao an-tokantrano ilay renim-pianakaviana talen’ny EPP ao amin’ny fokontany Antani­mena, kaominina Manakam­bahiny andrefana, distrikan’ Ambatondrazaka. Maty niankohoka teo akaikiny ihany koa ny zanany vavikely vao enin-taona monja. Tsy mbola fantatra ny antony nahatonga ny loza, ao koa ireo milaza fa lonilony no nitarika ity vono olona ity. Tsy nisy nahita ny tranga, anatin’ny famotorana tanteraka ny mpitandro filaminana. “Ny mpampianatra handeha hampianatra omaly no gaga raha nahita ny bi­raon’ny sekoly nihidy. Araka izany, nandeha namonjy ny tranon’ilay ramatoa tale ireo mpampianatra ary nahita ny varavaran-dakoziany tsy nihidy. Teo no nahitana ny vata-mangatsiakan’ilay zanany vavikely, tsy lavitra teo koa ny an’ilay reniny”, hoy ny zandary any an-toerana. Teo no ho eo ihany, nampandre ny ma­nam-pahefana ireto mpampianatra ka nidodododo namonjy ny voina ny mpitandro filaminana. Nisokatra tamin’izay ny fanadihadiana ny raharaha.

Zava-maranitra
Nampiasa zava-maranitra ireo olon-dratsy nahavanon-doza namono azy mianaka. Feno ratra ireo vata-manga­tsiaka, nisy diana tsatok’antsy teo amin’ny fon’ilay renim-pianakaviana 49 taona ity. Nodidiana tamin’ny antsy kosa ny tendan’ilay zanany vavy. Tsy vitan’izay fa mbola nitototra gony navesatra ny nofo mangatsiakan’ireto mpia­naka ireto. Ankoatra izay, tsy hita ny findain’ity talen’ny EPP maty ity ary hita tany Ampasikely kosa ny “kibota” tao aminy. Niko­rontana ambony ambany iha­ny koa ny trano tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo mpiara-monina sy ny mpitandro filaminana.
“Tsy namonjy ny fankalazana ny 8 marsa ity talen-tsekoly ity ary ny talata teo no nahitana azy mianaka farany. Nihidy ny vavahady ary toy ny isan’andro ihany no niheve­ran’ny rehetra azy mianaka. Tao koa ireo nihevitra fa tsy tao an-tranony ity ramatoa tale ity sy ilay zanany vavy”, hoy hatrany ny zandary. Nam­barany ihany koa fa efa maty ny vadin’ity renim-pianakaviana ity ka izy mianaka maty irery no iray trano sisa. Andrasana ny tohin’ny famotorana.

Henintsoa H.

Partager sur: