Rehefa voafehy ny fitantanam-bola, na kely aza ny eo am-pelatanana, mitondra fivoarana ho an’ny fihariana sy ny asa hatrany. Hatomboka amin’ny faritra enina ny tetikasa “Harivola”.
Hampianatra maimaim-poana ny tanora, mpandraharaha madinika na mpitantana orinasa, hitantam-bola ny Iscam solutions formation (ISSOF), amin’ny tetikasa “Harivola”. Fandaharam-piofanana nasionaly hampiroboroboana ny fitantanam-bola azon’ny rehetra atao anatin’ny faritra enina ny tetikasa, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny tetikasa, Rakotonirina Mialisoa, omaly, teny Ankadifotsy. Hatomboka amin’ny volana avrily any amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny “Harivola”, izay ialohavan’ny fampianarana alefa amin’ny haino aman-jery ary hotohizana amin’ny fizarana anaty efitrano. Hiantefa amin’ny olona 21 641 ny fanofanana ka hozaraina amin’ny tambazotra ny fotoana ahafana misoratra anarana.
Fanabeazana momba ny fitantanam-bola sy ny fametrahana tahiry ary ny fampitomboana ny vola mihodina amin’ny fihariana no hatao, hampivoatra ny fiainan’ny tokantrano sy ny orinasa, araka ny fanamarihan’ny mpiasan’ny Accès Banque, Andrianaribenja Narindra. Nosafidiana ny faritra enina satria be mponina sady ahitana seha-pihariana maro. Mahay manangona, mitantana ary mampitombo ny vola no tanjona ka hitondra fampiroboroboana ny toekarena malagasy ihany koa.
Mialoha ny fampianarana, hanadihady momba ny fifehezan’ny olona eny ifotony ny fitantanam-bola sy ny olana manodidina izany ny tomponandraikitry ny tetikasa. Samy manana ny mampiavaka azy ny faritra enina. 5% amin’ny mponina eto amintsika ihany no manana petra-bola na mifandray amin’ny banky. Manana tolotra samihafa anefa izy ireny manatsara ny fitantanana sy ny fampiboroboana ny vola eo am-pelatanan’ny tsirairay.
Vonjy A.