Samy varimbariana tamin’ny fetim-behivavy avokoa, omaly. Hadinodino fa hay misy otrikafo misoko mangina, mitarika any amin’ny fifanjevoan’ny samy Malagasy eto. Miseho lany ny fifampihantsiana. Tsy ny mpanao politika ihany, fa hatramin’ny mpianatra sy ny mpanabe. Zara raha nisy mpireska ny mpitandro filaminana naratran’ny mpanao fitokonana. Manginy fotsiny ny fitetezam-paritra ataon’ny mpanao politika, heverina ho mpifanandrina amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena.
Efa manakoako manerana an’i Madagasikara ny fivahinianan’ny ekipan-dRandrianasoloniaiko Siteny. Misidintsidina eraky ny lanitr’i Gasikara ny angidimby. Mariky ny fahavononana politika hanao zavatra izany. Mbola mijanona ho tsiambaratelo kosa ny andro hilazana na hilatsaka ho filoham-pirenena izy na tsia.
Etsy ankilan’izany, mandeha ny fandrangitana ataon’ny mpanohana ny filoha Rajoelina Andry. Mamaly bontana ireny fihetsika ireny. Tsy mahagaga ny mahita ny tale ambony iray, teny amin’ny fiadidiana ny Repoblika, maneso sy toa « mila ady» amin’ny ankilany. Toa maimbomaimbo korontana izany ny tanàna.
Ny mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, tarihin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, io mamaky ady an-kitsirano amin’ny mpianatra eny Vontovorona. Taiza teto Madagasikara hatrizay nisian’ny fitokonana no mila mangataka alalana aminy, na mandefa fampilazana. Izao efa mandrangaranga fanasaziana avy hatrany, hampiakatra ny mpianatra eny amin’ny filakevitry ny fitsipim-pifehezana. Niafara tamin’ny fanakatonana ny politekinika mihitsy izany. Nasaina niala ny toeram-pianarana ny mpianatra afa-tsy izay tsy afaka mandeha. Mihenjan-droa ny tady !
Raha atao indray mijery ny zava-misy. Karazan’ny ampirehetina izany ny afo. Misy mikatsaka mafy ny hisian’ny korontana eto Madagasikara. Mipetraka ny fanontaniana, fa na ny raiamandreny heverina handamina ny resaka aza samy mangina. Mampiasa ny kaonty fako sy ny mpikarama an’ady amin’ny serasera izy ireo, hikopahana ny afo. Sanatrian’ny vava, miandry fipoahana hafahafa izany ?
Eto anefa tiana ny mitarika ny sain’ny rehetra. Tena efa sahirana tanteraka isika vahoaka malagasy. Miaina anaty fahantrana lalina. Tsy misy afaka ny hilaza intsony fa mbola mivelona araka ny tokony ho izy intsony. Velona mitsipozipozy. Tsy mendrika antsika intsony ny hisian’ny korontana sy ny kirizy lava reny. Tsy tokony ho hadino, tsy ny mpanao politika izay iaraha-mahalala fa mitady seza no hiantoka izay hatokona isan-tokantrano.
Malalaka ny olom-pirenena isan-tsokajiny, hisafidy izay tiany hatao sy firehana politika arahany saingy tsy tokony ho hadino, mila antsika tsirairay ihany koa ny fiantohana ny ankohonana sy ny ho avin’ny taranaka malagasy.
Fehiny, tsy vahaolana hialana amin’ny kirizy ny korontana !
r.r