Nangalatra ombin’ny lehibena fokontany iray tao Ambatomanga, kaominina Antanambao Antsirabe II, maty voatifitry ny dahalo iray, ny 7 marsa teo. Nangalarin’ity dahalo ity ny omby tamin’ny 10 ora alina. Nirifatra nandositra izy. Nikaroka, taorian’io, ny fokonolona niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Naharay loharanom-baovao ny zandary ka nanantona ny toerana voatondro ho misy io olon-dratsy io. Natao ny fisavana tao amin’ny tanànan’ Ambohimandroso. Sarona ity mpangalatr’omby . Nahitana hena miavosa niaraka tamin’ ny lohan’omby tao aminy. Nirifatra nandositra anefa ity dahalo ity tamin’ny fotoana hisamborana azy. Vokany, lavo tamin’izay izy. Ankoatra io, dahalo iray hafa koa, maty voatifitra ny mpitandro filaminana tao amin’ny tanànan’ Andranomahery Ampitatafika, distrikan’ Antanifotsy, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo. Nangalatra omby tao Andranomahery avaratra ny dahalo dimy lahy. Nirifatra nandositra izy ireo vantany tonga ny mpitandro filaminana. Maty nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary ny iray tamin’ireto olon-dratsy ireto. Naverina amin’ireo tompony ny omby halatra tra-tehaka teny amin’ireo dahalo.
Tsiferana R.