“Brigade anti-Piratage”: Kapila hosoka maherin’ny 28 000 nodorana

Mitohy ny ady amin’ny famongorana ny kapila hosoka. Nodorana omaly avokoa ireo vokatra piraty azon’ny sampandraharaha misahana amin’io ady io.

Maherin’ny 28 000 ny isan’ireo kapila ho­soka, azon’ny teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny fanaovana hosoka, nandritra ny taona 2022. Vokatra hosoka avy eto Antananarivo avokoa ny 80% tamin’ireo kapila ireo. “Nihena ny isan’ny kapila hosoka azonay tamin’ity taona ity noho ny fidinana ifotony matetika”, hoy ny tomponandraikitra misahana ny asa eo anivon’ny BAP, ny adjidà sefo, Razafindrafila Odon.

Nifanindran-dalana tamin’ ireo hetsika nataon’izy ireo amin’ny famongorana ireo mpanao hosoka ireo, mahatratra 82 ireo mpanao piraty niakatra fampanoavana tamin’ iny taona 2022 iny.

Natsidik’ity tomponandraikitra eo anivon’ny BAP ity fa hamongotra io asa ratsy io ny fiaraha-mientan’ny tsirairay tsy hanjifa ny vokatra hosoka sy piraty. Nentina nihazo ny toerana fandorana azy teny Ambohitrimanjaka ireto kapila hosoka mahatratra 28 352 ireto, omaly. Nanatrika izany teny an-toerana, ny solontenan’ny Omda, ny mpanakanto ary ny vadintany.

Tsiferana R.

Partager sur: