Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, any La Réunion, ny fifaninanana “Multidance”. Tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara.
Namaly ny fanasana avy amin’ny Komity rezionalin’ny FFDanse Renioney, ny federasiona ma-lagasin’ny dihy ara-panatanjahantena. Voaasa hitsara ny fifaninanana sy hiatrika ny fifaninanana izy ireo ka nihazo an’i La Réunion, omaly. Ny filohan’ny federasiona malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena, Randrianarisoa Rijamanitra no nitarika ny delegasiona malagasy, izay sady hitsara ity fifaninanana ity. Ny laharana fahatelo tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara (danse sportive latine) kosa no Malagasy mpandihy hifaninana, ahitana an’i Toky sy i Valencia. Tsy afaka ny tompondaka sy ny tompondaka lefitra ka izany no antony nisafidianana ireto laharana fahatelo ireto, hiaro ny voninahi-pirenena any La Réunion. Araka ny fandaharam-potoana, anio sabotsy hariva no hanomboka ny hetsika ary hisy ny lanonana fanokafana. Ny alahady kosa no hanatontosana ny fifaninanana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny FMDS, Randrianarisoa Rijamanitra.
Manan-talenta eo amin’ity taranja ity ny Malagasy ka miandrandra ny hahazo vokatra tsara sy hitondra avo ny dihy ara-panatanjahantena malagasy. Fotoana ihany koa hakana traikefa amin’ny Renioney amin’ity fifaninanana ity, satria araka ny fantatra dia “challenge” eo amin’ny samy Renioney no hotanterahina ary vahiny nasaina i Madagasikara.
Mi.Raz