Fanamarihana ny 8 marsa: nandray andraikitra ireo vehivavy Star

Niavaka kokoa ny nanamarihan’ireo vehivavy mpiasan’ny Star ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ny alarobia lasa teo. Nirona tamin’ny asa sosialy isan-tsokajiny izy ireo, ary samy nanana ny nankalazany azy isak’ireo toeram-piasana Star miisa 13 manerana ny Nosy. Ankizy sy vehiavy avy amin’ireo fikambanana isan-karazany, sekoly, hopitaly, sns, no nisitraka ny fanam­piana avy amin’ireo vehivavy Star, maherin’ny zato. Araka­raka ny filana no nitsinjaran’ izy ireo izany.
Ny tany Nosy Be, ohatra, milina fanjairana sy zava-pisotro no nozaraina tamin’ ireo vehivavy mpanjaitra. Ny ivontoerana Sainte Cathérien Labouré any Ihosy nahazo fanampin-tsakafo sy rano ho an’ireo ankizy beazina, raha toa ka “kits sclolaires” kosa ny an’ireo ankizy ao amin’ny ivontoerana Verezambola ao Antsirabe. Nisafidy ny sampandraharaha misahana ny fi­tsaboana ny zaza ao amin’ny hopitaly Befelatanana kosa ireo teto Antananarivo. Nizara boky angano sy rano izy ireo. Santionany ihany ireo, arakaraka ny fahatsapan’ireo vehivavy mpiasan’ny Star ny adidy aman’andraikitra miandry azy ireo, any amin’ny misy azy avy.

Zo ny Aina

Partager sur: