Ho fanajana ny mangarahara, na ivelan’ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra aza, nampahafantarina ny fanendren’ny filohan’ ny Repoblika an-dRajoelina Patrick ho mpanolotsaina manokany misahana ny diplomasia sy ny fiaraha-miasa amin’ ny any ivelany; Raharinirina Baomiavotse Vahinala, ho mpanolotsaina manokana miandraikitra ny raharaha toekarena sy ny fifandraisana amin’ny sehatra tsy miankina; Razafimahefa Tianarivelo,
ho mpanolotsaina manokana misahana ny fitantanana sy ny fampandrosoana eny ifotony. Eo koa ny sekretera jeneralin’ ny fiadidiana ny Repoblika (SGP) teo aloha, i Pelandroy Arnaud Espérance, voatendry ho mpanolotsaina any amin’ ny masoivohon’i Madagasikara any Paris, Frantsa, eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Nisolo ny toerany kosa, ho SGP eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika i Fanohiza Claude.
Hiavaka ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 marsa
Hanomboka amin’ny 15 marsa ny fanamarihana amin’ ny alalan’ny fanentanana amin’ ny haino vaky jery sy ny tambajotran-tserasera ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-76 taon’ny 29 marsa 1947, araka ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, ny 9 marsa lasa teo. Amin’ny 2 marsa ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy. Hatao eny amin’ny tany malalaky ny zaridainan’ Anosy izany, harahin’ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo mpitolona sisa velona. Hisy izany Antananarivo sy i Manakara ary i Moramanga.
Hatao eny amin’ny zaridainan’Anosy ihany, ny 22 hatramin’ny 28 marsa, ny fampirantiana momba ny tolona. Hohatevenina amin’ny fampirantiana mitety sekoly ny 23 ka hatramin’ny 27 marsa 2023 izany. Hisy fotoam-pivavahana ho fahatsiarovana eny amin’ ny fiangonana advantista Soamanandrariny, ny 25 marsa.
R. Nd.