Fiatrehana fifidianana : hanampy amin’ny fanabeazana mpifidy ny Amerikanina

“Miezaka amin’ny fanabezana ny olom-pirenena ry zareo Amerikanina amin’izao. Mai­vamaivana ihany raha ny olom-pirenena no tsy mahafantatra ny momba ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, taorian’ny nandraisany ny am­basadaoro amerikanina, i Pie­rangelo Claire teny Alarobia, afakomaly. Mankasitraka ny fijoroana sy ny finiavan’ny Ceni amin’ireo fanamby hiatrehana ny fifidianana ny am­basadaoro. Eo koa ny ezaka amin’ny hanatanterahana fifidianana mirindra. Hanampy ny Ceni amin’ny fanabeazana mpifidy amin’ny fifidianana izy ireo. “Mihoatra ny 10 ta­pitrisa ny voasoratra amin’ny lisitry ny mpifidy”, hoy ny fi­lohan’ny Ceni. Misy anefa ireo mihevitra fa rehefa tao anatin’ ny lisitry ny mpifidy teo aloha izy, tsy miditra intsony amin’ izao fanavaozana izao. Tokony hasiana fanitsiana izay. Maro koa ny tsy manana karapanondro. Am­pirisihan’ny Ceni ny fitsarana mitety vohitra hahazoan’ny olom-pirenena sora-piankohonana sy karapanondro.
Anisan’ny nampangingina ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy koa ny fandalovan’ny rivodoza, tsy maintsy itadiavana vahaolana.

R. Nd.

Partager sur: