Nomen’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, profesora Assoumacou Beatrice Elia, baiko ny filohan’ny oniveriten’Antananarivo, profesora Ravelomanana Mamy, hanaraka ny dingana rehetra hamerenana ny fampianarana sy ny fanokafana indray ny sekoly ambony politeknika ao anatin’ ny herinandro. Nandritra ny fanazavana tao anatin’ny fandaharana isan-kerinandro “Tsy ho tompon-trano mihono” no nitondrany io fanamarihana io, omaly. “Tsy ny mpikambana ao amin’ny governemanta mihitsy no hanome baiko hanakatona sekoly satria manan-jo hianatra ny ankizy sy ny tanora rehetra. Ny fampiatoana ny fampianarana mandritra ny fandalovan’ny rivodoza aza efa tsy fidiny, ho fitsinjovana ny ain’ny mpianatra”, hoy ny nambarany. Ny minisiteran’ ny Fampianarana ambony sy ny CrouA irery ihany no afaka manakatona ny toeram-pampianarana eo ambany fahefany fa tsy hevitr’olon-tokana tahaka izao miseho izao.
Nampanantena ny minisitra fa ao ny vola handoavana ny vatsim-pianarana fa manaraka ny lamina sy ny fepetra amin’ny famoahana volam-panjakana. Miandry ny lisitra voamarina misy ny anaran’ ireo mpianatra tokony hisitraka ny vatsim-pianarana vao miroso amin’ny fangatahana ny sora-bola ilaina. Nisy fahatarana ny fanomezan’ny mpitantana ny oniversite ny lisitra ka miandry izay ny vaomiera mikaraka ny vatsim-pianarana hiasany, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony. Efa vita tanteraka ny fikarakarana amin’izao fotoana izao.
Vonjy