Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-III ny fiofanana karakarain’ny vondrona Valihan’Ikaky. Lohahevitra amin’ izany ny « Fifamatoran’ny valiha sy ny fanahy ». Nomarihin’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ity vondrona ity fa « adidy lehibe ho anay ny manome ny fototra sy fahalalana mafy orina ho an’ ny taranaka aty aoriana mba hahatonga azy ireo ahafantatra sy hanome hasina ny momba azy manontolo. Anisan’ izany ny kolontsaina ». fantatra fa ny voalohandohan’ny volana avrily no hanatanterahana ity fiofanana andiany faha-III ity, eto Antananarivo.
Raha ny fanazavan’ny iray amin’ireo mpampiofana, « zavamaneno manana ny mampiavaka azy ny valiha malagasy. Mifono hevi-dalina ihany koa ny teny malagasy. Haneho izay fifamatorana izay ny fiofanana ».
HaRy Razafindrakoto