Nanatanteraka fanazaran-tena iombonana sy fifampizarana traikefa teny amin’ny masoivoho amerikanina, afakomaly, ny ekipan’ny sampandraharaha misahana ny filaminana eo anivon’ny masoivoho (RSO) sy ny vondron-kery manokana (GSIS) eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Ity fanamafisana fahaiza-manao ity, nahitana sarinady sy fomba firotsahana an-tsehatra raha misy hamehana. Samy nandray anjara tamin’izany avokoa ireo ekipan’ny RSO, GSIS, miaramila amerikanina, sivily mpiambina eo anivon’ny masoivoho ary ireo matihanina hafa momba ny fiarovana sy fitsaboana.
Nanatri-maso ity fanazaran-tena ity sy nizara torohay tamin’ireo zandarin’ny GSIS ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-
pirenena (Seg), ny Jly Serge Gellé, ny talen’ny kabinetran’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Andriantahina, ny lehiben’ny fibaikoana ireo vondron-kery manokana (CFS), ny Kly Rakotonirina Henri Lala ary ny kaomandin’ny vondron-kery manokana GSIS, ny Major Raveloson Jean. Nomen’ireo miaramila amerikanina karazana fitafy manokana ireo zandary ho fanehoana fankasitrahana ny fiarahana tamin’ izy ireo. Nentina nanasongadina ny fifandraisana eo amin’ny masoivoho amerikanina sy ny mpiara-miombon’ antoka malagasy ary mampiseho ny fahaizan’ny ekipan’ ny masoivoho sy ny GSIS ity fanazaran-tena iraisana ity.
Jean Claude