Sehatra miroborobo ny haitao arakajy mirindra eto Madagasikara. Fitaratara aty Afrika isika saingy vidian-dafo izany no mbola tsy voafehy tanteraka ny fampiasana azy.
Ny 19 sy 20 mey 2023, handray ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny fifindrana amin’ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra (transformation digitale) i Madagasikara, eo ambany fitarihan’ny Filoha Rajoelina Andry sy ny minisiteran’ny Fampiroboboana ny haitao sy fanovàna ara-kajy mirindra, Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDTP).
Andiany faha-12 ny fivoriana ATDA (1) mahakasika an’i Afrika sy filankevitry ny minisitry misahana ny nomerika aty Afrika. Fifanakalozana eo amin’ny samy afrikanina miaraka amin’ny Eoropeanina, Aziatika, Amerikanina hatramin’ny 2011. Mandray izany i Madagasikara noho ny fanavaozana tsy maintsy atao sy fisarihana fampiasam-bola ho an’ny sehatra tsy miankina.
Fitaratra aty Afrika i Madagasikara ka hahitana fifanakalozana sy mampitombo ny harinkarena izany. Hanehoana amin’ireo mpiara-miombon’ antoka ny angovo, ary ny saran’ny fifandraisan-davitra. Miankina amin’ireo ny hahatrarana ny tanjona, araka ny tenin’ny minisitry ny MNDTP, Razafindramalo Tahina.
Mbola 2G sy 3G
Ny teknolojia 2G sy 3G no betsaka fampiasan’ireo tsy miankina, fa misy koa ny 4G amin’ny faritra sasany, saingy lafo, tsy sarona daholo ny toerana. Ankoatra izany lafo ny saran’ny fifandraisana eto amintsika : ny antso, ny sms, ny internet.
Lafo toy izany koa ny vidin’ny fitaovana misy TVA, nefa tsy ampy ny filazana tonga any amin’ny fanjakana. Tsy misy fanambarana ny ankamaroan’ny varotra finday. Varo-maizina toy izany no betsaka, satria nitombo koa ny hetra alaina 5 % hatramin’ny 20 %.
Vinavinan’ny fanjakana ny tsy hampisy varotra tsy hanaovana fanambarana, ka hisy fotoana mandalo tsy hakana hetra ireo fitaovana fampiasa, toy ny finday, tablette, smartphone, sns. Kendrena amin’izany ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa.
Tsy fahampian’ny angovo
Mandeha ny dingana nomerika, ka minisitera maromaro no efa voakasik’izany, toy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola. Saingy ny olana ny tsy fahampian’ny angovo. Efa misy tetikasa DCIM (2) iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena, mitentina 400 tapitrisa dolara.
Momba ny TNT (3) miankina amin’ny minisiteran’ny Serasera ny mampandeha azy fa ny MNDTP misahana ny lafiny teknika. Jerena izao ny tolotra mahakasika azy io. Malaza indray ny mobile money, misy mpisoloky, valintenin’ ny minisitra ihany fa ny lafiny teknika an’ny MNDTP, fa ny fanaraha-maso izany eo ny Indostria, Toekarena, Zandarimaria.
Fehiny, azo lazaina fa misy fivoarana i Madagasikara eo amin’ny fifandraisan-davitra, manome lanja ny maha olona, miady amin’ny kolikoly. Na izany aza, mbola vitsy ny teknisianina amin’ny sokajy rehetra. Hosokafana izao ny INTP (4), tsy mifidy ambaratonga vita.
Ndrina
ATDA(1) : Assises de la Transformation Digitale en Afrique
DCIM (2) : DataCenter Infrastructure Management
TNT (3) : Télévision Numérique Terrestre
INTP (4) : lnstitut National de Télécommunications et des Postes