Kolontsaina sy serasera: nivoaka ny gazety boky « Hetsika MSK » 

Hivoaka isam-bolana ny gazety boky « Hetsika MSK ». Hanampy ireo fitaovana fampaha­fantarana efa misy, izay rehetra mahakasika ny asan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolon­tsaina izany.

Avy hatrany dia ireo fandaharam-potoana hitranga mandritra ny volana hitsahina ny ao amin’ ny pejy faharoa… Hanason­ga­dinana ireo fandaharam-potoana ara-kolontsaina sy amin’ny lafiny serasera manerana ny Nosy mantsy no tanjona voalohany amin’ny ga­zety boky « Hetsika MSK ». Mazava loatra fa ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no mamoaka azy ity, ary nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alin’ny alakamisy teo, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ny fivoahan’ny laharana voalohany.
“Natao ity gazety boky ity mba hampahafantarana ireo fandaharam-potoana rehetra hitranga ny volana hitsahina, sy hotsiahivana ihany koa ireo hetsika lehibe tontosa ny volana lasa. Ankoatra izay, hitantsika ato ireo fandaharanasan’ny minisitera amin’ny ankapobeny sy ireo sampandraharaha rehetra ao. Na­naovana ezaka koa mba tsy ireo tsy miankina ihany no afaka mampahafantatra ireo hetsika karakarainy, indrindra ny lafiny kolontsaina, fa manana ihany koa ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisitera. Niniana natao ho bokikely mihitsy, mba ho mora entina sy ho mora vakiana ary mora hampitan-kafatra izany”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andria­tongarivo Rakotondrazafy Lalatiana, nandritra ny lahateniny.
Raha tarafina amin’ny laharana voalohan’ny “He­tsika MSK”, maro ireo fandaharam-potoana tontosa, toa ny “Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena” manerana ny Nosy. Ao koa ny tatitry ny iraka ma­nokana nataon’ny delegasiona notarihin’ny minisitra tany Frantsa, nandritra ny kaonferansa iraisam-pirenena teo anivon’ny Unesco. Teo koa ny tatitry ny dian’ny Malagasy Folkoric Band na ny Maf’B tany Inde, izay nanaovan’izy ireo fampisehoana ampolony. Mazava loatra fa voaresaka ao koa ny “raharaha Omda”, izay anisan’ny nafana tamin’iny volana lasa iny.
Ho an’ity volana ity kosa, ny “Volana iray mpanoratra iray”, izay hanasongadinana an-dRabearivelo. Eo koa ny fampirantiana ao amin’ny Trano Sary, Ambohidahy, ma­nodidina ny “raharaha 47”, ny hetsika hataon’ny “Brigade anti-piratage”, ny ady amin’ ny “cybercriminalité”, ny fam­pahafantarana ny vakoka iray isam-bolana, ka ny Eglizin’ Ambodifototra ao Sainte Marie no nosafidiana tamin’izany, sns. Tsy ambanin-javatra ireo hetsika rehetra nitranga na vao hiseho any amin’ny faritra rehetra anatin’ny gazety boky. Marihina fa maimaimpoana ary ho hita eny amini’ ireo toeram-pivarotana lehibe, ireo ivontoerana ara-kolontsaina, ireo trano famakiam-boky, sns, ny “Hetsika MSK”. Tanjona alohan’ny faran’ny taona ny hanontana ny gazety boky miisa 20.000.

Zo ny Aina

Partager sur: