« Mada open- Auto – moto » : hanomboka ny 18 marsa ny fifaninanana  « 4 heures Honda »

Nifoha tamin’ny torimasony ny taranja «auto-mo­to», nandritra ny telo taona no tsy nisian’ny fifaninanana. Ta­paka teny Andraharo, omaly, fa horaiketina ny 18 marsa hatramin’ny 19 marsa ho avy izao ny fifanintsanana andiany faha-21 «4 heures Honda». Hotontosaina etsy amin’ny SRK-TMF Imerin­tsia­tosika. Araka ny fanazavan-dRazafi­mahefa Tsirava, filoha nasionalin’ny “Auto-Moto” eto Madagasikara dia hisokatra amin’ny herinandro ho avy izao ny fisoratana anarana. Miisa 25 ireo ekipa efa nanoratra anarana hatramin’izao, raha toa ka heverina ho 80 ny isan’ny mpandray anjara. Ny fiovan’ny lalana no hampiavaka ny fifaninanana, handray anjara ireo solon-tena isam-paritra. Araka ny lalàna mifehy ny lalao, « moto » iray ihany no hampiasain’ny mpanamory roa anaty ekipa ary hosaziana very « tour » iray izay mitsipaka izany. Ny sabotsy 18 marsa dia hitsapa ny lalana ny mpandray anjara rehetra, raha toa ka hanomboka ny 19 marsa, amin’ ny 10 ora ny lalao ofisialy. Mirefy 10 km, ny halaviran-dalana, ahitana sampanana sy sakan-dalana na “obstacles” maro. Marihina fa hotolorana am­boara ireo 10 voalohany isaky ny sokajy 12. Handray anjara amin’ity andiany faha 21 ity i Pascal Dorseuil, tompondakan’i La Reunion.

Fitia (Mpianatra asa)

Ireo sokajy 12 amin’ny fifaninanana “4 heures Honda”:
“Scratch”
“Junior” :13 -17 taona
“85” : 9 – 15 taona
Vehivavy : 13 taona sy ny 15 taona
“Véterant 1” : 38 – 48 taona
“Véterant 2” : + 49 taona
XR, Trail enduro
Rookie
Ray aman-dreny sy zanaka : +13 taona
2 mpanamory, 2 “motos”
Solo (1 mpanamory, 1 “moto”)
Ekipa “mixte”

Partager sur: