Minisiteran’ny Mponina: mariky ny mangarahara ny fanaovana fanambaram- pananana

Tonga teny amin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco) Ambohibao, omaly, ireo olom-boatendry manatanteraka ny asam-panjakana ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy.

Anisan’ny andraikitra mila ataon’ireo olom-boatendry mitana andraikitra ambony ny fanambaram-pananana mba hisian’ny mangarahara amin’ ny asam-panjakana.

Nanao izany fanambaram-pananana izany, teny amin’ny Bianco, ireo tompon’andraikitra voakasik’izany, omaly.

Nanamafy ny tale jenera­lin’ny Bianco fa tsy hananan-kavana ny ady ary fahavalon’ ny Malagasy izay manao kolikoly ka izay indrindra no am­pirisihana ireo tomponandraikitra ambony ny amin’ny fa­nambaram-pananana.
Nisolo tena ny minisitra Soafilira Princia, izay manatanteraka iraka any Atsimo, ireo tale jeneraly 3 mianadahy eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina, notarihin’ny talen’ ny fiahiana ara-tsosialy.

Tanjona amin’ny fanao­vana fanambaram-panana ny fampangaraharana ny fahazoana harena ao anatin’ny fanatanterahana ny asa, mila mifanaraka amin’ny tombon­tsoa sy ny karama mifanaraka amin’ny asa atao.

Porofo izao finiavana izao fa vonona hiala amin’ny fa­kam-panahy mety handavo eo am-panatanterahana ny asam-panjakana ny olom-boatendry ao amin’ity minisitera ity.

Manentana hatrany ny mpiara-miasa ny tale jenera­lin’ny fiahiana sosialy, Rivo­manana Ghisbert, hanao izany fanambaram-panana izany ao anatin’ny faharesen-dahatra sy ny fenitra mifehy ny asam-panjakana. Anisan’ny sehatra iray iadiana amin’ny kolikoly rahateo ny fanaovana fanambaram-panana, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Bianco.
Anisan’ny minisitera mi­kirakira vola mivantana ny minisiteran’ny Mponina ka mila fitandremana. Rariny ny hisian’ny fihetsika fakan-tahaka toy izao hampisy fitokisana sy mangarahara amin’ ny fomba fiasa.

Tetsy andaniny, nilaza ihany koa ny tale jeneralin’ny fiahiana sosialy, ny vinavina ha­nangana ny vaomiera manokana hikirakira ny fitarainana anatiny ao amin’ny minisitera. Ahafahana midinika miaraka amin’ny Bianco ny fepetra raisina amin’ny trangana kolikoly mampiahiahy izany, raha ny fanazavana.

Tatiana A

Partager sur: