Maty voatifitry ny polisy ao Mahanoro ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo ilay tovolahy 22 taona, raindahiny amin’ny fanafihana ao an-toerana. Toerana mafana amin’ny asan-jiolahy isan-karazany toy ny vaky trano miharo vono olona ny ao Ambalakininina. Araka izany, manao fisafoana matetika ao amin’io fokontany io ny polisy. Nandritra izay, nahatsikaritra telo lahy nihaodihaody sy hafahafa fihetsika ny mpitandro filaminana. Vaky nandositra anefa izy telo lahy vao nahatazana ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana sy fisavana ny toerana rehetra. Nandritra izay, jiolahy iray no saika hamono polisy tamin’ny sabatra. Nampitandremana izy saingy tsy nihemotra ka voatery notifirina. Vokany, lavo tamin’izay ity olon-dratsy ity ary azo teny aminy ny sabatra iray sy ny “pince coupante” teny aminy. Fantatra fa efa mpamerin-keloka ary im-betsaka niditra am-ponja ny tenany izao tratra namerina ny asa ratsiny izao indray. Mbola karohina kosa ireo namany mpiara-dia taminy.
Henintsoa Hani