Noraisim-potsiny ! Tonga teny Antanety II ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Analamanga noho ny fitokonan’ny mpianatry ny ESPA Vontovorona, afakomaly tolakandro. Nisy lehilahy iray nanakana ny fiara nitondra azy tamin’io fotoana io. Nilaza izy fa hoe manamboninahitra nivoaka tao amin’ny andiany mivantana faha-38 tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil), Antsirabe, izy. Fantatry ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana anefa fa misandoka ity lehilahy ity satria izy no chef de brigade-n’io andiay faha-38 io. Nanome baiko ny chef de poste avancé-n’ Antanety II avy hatrany izy hanaovana andrimaso ity lehilahy ity. Nentina nanaovana famotorana avy hatrany izy ka naiditra fonjakely noho ny fisandohana nataony. Nosavaina koa ny tranony ao Antanety, fokontany Antanety II, kaominina ambanivohitr’ Alakamisy Fenoarivo . Nandritra izany no nahafantarana fa misandoka sy ahina ho mitambatra amina fikambanan-jiolahy izy. Maro ireo zavatra nogiazana tao an-tranony, toy ny fanamian’ny Tafika Malagasy, miaraka amin’ny galona “Lieutenant”, basim-borona, kara-panondro roa samy milaza fa miaramila ny asany ary antontan-taratasy manamarina ny mombamomba azy. Lieutenant Kevin no anarana entiny sy ahafantaran’ny rehetra azy eny Antanety II. Tamin’ny fotoana nahatrarana azy, mbola nilaza izy fa Lieutenant Rakotonirina Kevin ny anarany. Ny fisavana ny tranony no nahalalana fa Rakotonirina Jean Christian no tena anarany. Niaiky fa nisandoka ho manamboninahitra miaramila taorian’ny tsy nahafahany tamin’ny fifaninanana hidirana tao amin’ny andiany mivantana faha-38.
Jean Claude