Rivodoza Freddy : miantso fandraisana andraikitra ny BNGRC

Tsy nitsahatra niasa ny teo anivon’ny BNGRC namonjy sy nanampy ireo niharam-boina tao anatin’ny fe-potoana niverenan’ ny rivodoza Freddy teto amin’ny Nosy raha ny tatitra navoakan’ izy ireo, omaly. Manentana ny mponina mipetraka manamorona ny ranomasina hatrany izy ireo mba ho mailo sy hitandrina hatrany tsy hisian’ny loza. Miantso ny tompon’andraikitra ihany koa andraikitra sy hanarina ny simba rehetra, toy ny efitrano fianarana. Eo koa ny hanampiana sy handraisana an-tanana hatrany ireo traboina manerana ny faritra 6.

10 ireo namoy ny ainy

10 ireo maty vokatr’izany ny fiverenan’i Freddy, raha ny tatitra voaray hatrany. 1 avy ao Bekily, 2 avy ao Ampanihy Andre­fana, 3 avy ao Morombe ary 4 tao Toliara II. Mahatratra 3 ireo tsy hita popoka nandritra izany. Mahatratra 72 351 ireo traboina manerana ny Nosy. Manodidina ny tokantrano 16 524 amin’izy ireo. Mitsinjara avy ao amin’ny faritr’Atsimo Andrefana, Androy, Amoron’i Mania, Ihorombe ary Menabe. 16 367 ireo olona tsy maintsy nafindra toerana. 3 838 ny tokantrano amin’izy ireo, nanfindra amin’ny toerana 34 samy hafa. 7991 ambiny nifindra any amin’ny fianakaviany sy ny olom-pantany avy.
Mahatratra 278 ireo toeram-pianarana simba. 68 amin’izy ireo tototry ny rano tanteraka. 38 704 ireo mpianatra tsy nafindra toeram-pianarana noho ny fahasimban’ny toeram-pianarana. Ankoatra izay, mahatratra 5938 ireo fotodrafitrasa tototry ny rano. 6469 kosa simba sy potika avokoa. Manodidina ny 11 ireo lalana tapaka tao anatin’ny herinandro. Tao anatin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Amoron’i Mania avokoa izy ireo.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: