Misongadina ny mpilalao malagasy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra. Nahazo fandresena telo i Madagasikara, teo amin’ny olon-tokana.
Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra. Fifaninanana, tanterahina any Djibouti. Omaly zoma, teo amin’ny andro faharoa fandresena telo teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana no azon’i Madagasikara.
Ho an’ny lehilahy, tao amin’ny vondrona faha-7, lavon’i Nativel Jonathan tamin’ny seta, 3 no ho 0 (11/8 ; 11/4 ; 13/11), ilay tera-tany Djibouti, i Elmi Samatar. Tsy niady mihitsy ny seta roa voalohany fa teo amin’ny seta fahatelo vao nanohitra i Elmi saingy tsy tafavoaka.
Tao amin’ny vondrona faha-8, resin-dRakotoarimanana Fabio, tamin’ny seta 3 no ho 1 ihany koa ilay etiopianina, i Mesfin Demesse. Norombahin’i Fabio ny seta 2 voalohany (11/9 ; 11/3). Lasan’ i Demesse kosa ny seta fahatelo ka nomontsaniny tamin’ny isa 11 no ho 2 i Fabio. Nihevitra fa mbola haka ny seta fahefatra ity etiopianina saingy tsy nanaiky i Fabio ka lavony, tamn’ny isa 11 no ho 7, teo amin’ny seta faha-4.
Fahombiazana ihany koa ny an’i Antoine sy i Stephen izay samy nahazo fandresena fanindroany avy, rehefa samy nandresy ireo mpifanandrina taminy. I Stephen nanilika ilay Djibouti, i Ahmed Abdouchakour, tamin’ny seta 3 no ho 1 (11/6 ; 16/14 ; 11/3 ; 11/6). I Antoine indray nandresy an’i Muturi Peter avy any Kenya, tamin’ny seta 3 no ho 0 (11/6 ; 11/8 ; 11/9). Samy mitarika ao amin’ny vondrona misy azy avokoa izy mirahalahy, taorian’ity fahombiazana azony, ity.
Fandresena voalohany koa ny an-dRaharimanana Hanitra, hany tovovavy tokana misolo tena an’i Madagasikara. Resiny, tamin’ny seta 3 no ho 0 (11/6 ; 11/7 ; 11/5), ilay Djibouti i Waberi Abdallah Ladan.
Tompondaka