Tsy fanjarian-tsakafon’ny reny: mila ampitomboina ny sakafo notovonantsoa

“Niakatra ho 25% ny tahan’ ny tsy fanjarian-tsakafo ma­hazo ny reny amin’ny firenena misedra krizy ka miteraka olana ara-pahasalamana ho an’ilay reny sy ny zaza vao teraka izany”, hoy ny fanazavan’ny Unicef, taorian’ny fa­nadihadiana nataony. Ilaina, noho izany, ny fametrahana fandaharanasa hanohanana ny tovovavy sy ny vehivavy ara-tsakafo satria manomboka ao ambohoka ka hatramin’ny faha-2 taonan’ny zaza no miseho ny fahatarana amin’ny fitomboana. Nanomboka ny taona 2020 no ho mankaty, nitombo ho 6,9 tapitrisa ireo tratran’izany raha 5,5 izy ireo talohan’io. Firenena 12 no voakasika fa tsy mbola tafiditra ao i Madagasikara.
Namoaka tatitra momba an’i Madagasikara ny Unicef ny taona 2020 fa, misy fiantraikany amin’ny fahasala­mana sy ny fanjarian-tsakafo ny fahantrana sy ny fanatonan’ ny mponina eny amin’ny mpi­tsabo nentim-paharazana ary ny tsy fahampian’ny fari-pahai­zan’ny vahoaka. Mbola maro rahateo ny olona monina any amin’ny 5km miala ny CSB, antony mampiroborobo ny fi­tsaboana nentim-paharazana.
Nanamafy ny ezaka ataony miaraka amin’ny firenena voa­kasiky ny olana ara-tsakafo, toa ny eto Madagasikara ny Uni­cef, nanomboka ny taona 2022. Asa voalohany natao ny fitiliana ireo ankizy sy vehivavy tsy ampy lanja raha mitaha amin’ny taonany. Miantso ny fanjakana koa izy hampitombo ny sakafo ampiasaina amin’ny andavanandro notovonantsoa : koba, menaka fihinana, sira hisorohana ny tsy fahampian’ ny singa mpamelona. Eto amintsika, mbola ny koba ho an’ny ankizy sy ny sira ihany no sakafo notovonantsoa azon’ ny rehetra jifaina.

Vonjy A.

Partager sur: