Ny alarobia vao hiverina ny oram-baratra eto afovoan-tany sy manerana ny Nosy ankoatra ny any amin’ny faritra Sava sy Analanjirofo izay hahazo orana malefaka, hoy ny teknisianina ao amin’ny foibe famantarana ny toetr’ andro, omaly. Ho an’ny anio sy rahampitso, hanjaka ny rahona ary mety hisy orana malefaka ny alina. Hidina ny maripana ambony indrindra ka ho lasa 24°C ao anatin’ny roa andro, eto afovoan-tany hatrany.
Ho an’ny faritra, hisitraka orana ny any Diana, Sofia, Bongolava… raha halefaka ny orana hiseho ho an’ny ilany atsinanana rehetra. Ho maina ny faritra sisa. Mbola hanorana ihany ny any Sofia sy Diana ary ny atitanin’i Menabe, rahampitso. Orana malefaka ihany any atsinanana ary ho maina ny andro amin’ny farita hafa rehetra.
Tsy mbola misy ahina ny fiforonan’ny andro ratsy aty amin’ny ranomasimbe indianina. Amin’ity herinandro ity no araha-maso indray i Freddy satria mbola any Afrika izy izao. Hivoatra anatin’ny andro maromaro any amin’ny lakan-dranon’i Mozambika izy vao hanatona antsika raha izay no hiseho.
Vonjy