Tsy mety fay mihitsy ! Soa ihany fa haingana ny fahatongavan’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2), raha tsy izany saika matin’ny fitsaram-bahoaka ireo jiolahy roa avy namaky trano, omaly tamin’ny 5ora sy 30 mn maraina, teny Ambolokandrina. Tratra teny amin’izy roa lahy ireto ny gonibe iray feno vilany avy nangalarina. Araka ny tatitra nampitain’ny polisy, naharay antso avy amin’ny olona mipetraka eny Ambolokandrina izy ireo momba ny fisian’olona tratra nangalatra teny an-toerana. Nidina teny Ambolokandrina avy hatrany ny polisy ka efa notazonin’ny fokonolona ireto jiolahy tratra ireto. Fantatra fa efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ry zalahy ireto noho ny hatezeran’ny olona. Mbola hita nolanjain’izy ireo ny vilany maromaro niaraka tamin’ny sotrobe. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy anaovana fanadihadiana izy ireo. Tsy vao izao no nahitana jiolahy mpangala-bilany fa efa maro ireo tratra saingy vao mainka mirongatra indray izany tato ho ato ary tsy mifidy hangalarina intsony ireo olon-dratsy.
Jean Claude