Mitombo isan-kerinandro ny olona vaovao voatily fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 52 ny tranga vaovao tao anatin’ny fitiliana 1 361, tsy nisy ny aina nafoy sy ny tranga anaty fahasarotana raha 48 ny marary manaraka fitsaboana hatramin’ny 10 marsa lasa teo. Sambany tsy teto amin’ny faritra Analamanga no nahitana tranga be indrindra fa tany amin’ny faritra Vakinankaratra, manana marary vaovao 28. Teto Analamanga 21 ary samy nahatiliana tranga iray avy any Atsinanana, Menabe ary Alaotra Mangoro. Nanomboka ny volana marsa 2020 ka hatramin’ny 10 marsa lasa teo, 67 941 ny olona voamarina fa nitondra ny tsimokaretina, 66 740 sitrana raha namoy ny ainy ny 1423.
Mbola manamafy ny fanentanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa ilaina hatrany ny fanajana ny fepetra sakana, indrindra any anatin’ny fiara fitateram-bahoaka fa tsy mbola lefy ny valanaretina. Ampirisihina ireo marefo hiaro tena amin’ ny fanaovam-baksiny hisorohana ny tranga misy fahasarotana.
Vonjy