Nanaporofo ny fahasarotana amin’ny fahitan’ny tanora asa ny firohotr’izy ireo teny Ivato nandritra ny fiofanana narahina fandraisana mpiasa teny en-toerana, ny sabotsy teo. Tanora manodidina ny 1000 avy amin’ireo kaominina manodidina ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo no liana tamin’izany.
Fiaraha-miasan’ny ben’ny Tanànan’Ivato, Randrianarisoa Penjy sy ny solombavambahoaka, Rakotoarisoa Johnny ary ny orinasa LCS, tarihin-dramatoa Fenozanany Stéphanie no nahafahana nanao ny fandraisana ireo tanora ireo hiditra amin’ny sehatry ny asa.
Nomena fiofanana amin’ ny fandrafetana CV hampisy lanja ny fangatahan’asa ireo tanora. Nampianarina ihany koa ny teknika mandritra ny fiatrehana ny fihaonana voalohany amin’ny mpampiasa mba hampisy tombam-bidy kokoa.
Tanjona ny hidiran’ny tanoran’Ivato amin’ny sehatrasa mahavelona sy azo antoka mba hitondra fampandrosoana fa tsy ho vesatra ho an’ny ankohonany, raha ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna.
Nanafatra ireo tanora amin’ ny fitondrantena mendrika hoentiny eny anivon’ny orinasa hiseharany kosa ny solombavambahoaka mba ho tabia sy reharehan’ny ray aman-dreny sy ny tanàna niaviany.
Manodidina ny 100 ny orinasa lehibe manerana an’i Madagasikara miara-miasa amin’ny LCS amin’ny fitadiavana mpiasa ka sehatrasa maro no ilana ireo tanora amin’ izany.
Tatiana A