Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha teny Ankadindramamy, ny zoma teo, ny lehilahy iray 54 taona voarohirohy ho tompon’antoka tamina fisandohana andraikitra. Nahazo angom-baovao ny polisy miasa ao amin’ny CSP7 fa misy olona misoloky sy misandoka andraikitra. Rangahibe iray no tompon’antoka amin’izany. Milaza ity jiolahy ity fa mahavita mampiditra olona miasa ao amin’ny PAC (Pôle anti-corruption). Efa maro ireo olona voafitaka sy nahazoany vola manodidina ny 1600 000 Ar ho sandan’izany fampidirana ho mpiasa ao amin’ny PAC izany. Mody asainy mikarakara antontan-taratasy rehetra ilaina ilay olona mandritra io fahazoany vola io. Rehefa azony anefa izany, tsy hita izy sady arirarirany ilay olona. Ramatoa iray niharan’ny fisolokiana no tonga teny amin’ny polisy 67ha nametraka fitoriana momba ity fisolokiana ity. Nametraka vela-pandrika ny polisy ka tratra teny Ankadindramamy ity lehilahy ity. Tratra tao an-tranony nandritra ny fisavan’ny polisy ny dika mitovy amin’ny fitombokase telo ampiasain’ny PAC. Niaiky ny heloka vitany ity jiolahy nisandoka fa mahatafiditra olona hiasa ao amin’ny PAC ity.
Jean Claude