Misesisesy ny anaran’olona hatao hazalambo momba ilay fakana an-keriny tao Ambohimanarivo, Morarano chrome, roa herinandro lasa izay. Taorian’ny namoahana ny didy fikarohana an’i Mahaleojaona Fanomezantsoa sy Mamy Tiana Landry Jacques. Ankehitriny, karohina fatratra ihany koa Rasolonjatovo Jean Charles na i Jady. Toy ny an’ireo namany roa lahy etsy ambony no antony hitadiavana azy fatratra. Voarohirohy amina resaka fakana an-keriny, fikambanan-jiolahy ary fanodikodinam-bola ny tenany. Toerana nahitana azy farany ny tao amin’ny fokontany sy kaominina Amparafaravola ary tsy mbola hita hatramin’izao. Araka izany, manao antso avo amin’ny rehetra ny mpitandro filaminana mba hampandre ny «groupe d’appui de police judiciaire» Alaotra Mangoro na koa hampandre ny laharana 034 83 446 80 raha manam-baovao momba azy telo lahy ireto. Tsiahivina fa mbola tsy hita ireo takalon’aina telo mianadahy. Efa nidina ho 50 tapitrisa Ar ny sandan’ny famotsorana saingy hatramin’izao tsy nandrenesam-baovao izy ireo.
Henintsoa H.