Fampiasam-bola : nodinihana hatramin’ny 2019 ny volavolan-dalàna

Manome antoka ny mpa­mpiasa vola ny nandraisan’ny Filankevitry ny ministra ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Mada­gasikara.
Nifampidinihana hatramin’ny taona 2019 niaraka tamin’ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina rehetra, ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola, ny mpamatsy vola toy ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Vondrona Eoro­penina.
Tapaka teo anivon’ny Vao­miera CRDA ary efa nodinihina teo anivon’ny Filan-kevitry ny governemanta. Nan­katoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra notanterahina ny 9 marsa 2023, teny Iavoloha, ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Mada­gasikara.
Natao hametrahana tontolo mahasarika ireo mpampiasa vola na avy eto an-toerana na avy any ivelany ary hiarovana izay fampiasam-bola ataon’izy ireo izay io volavolan-dalàna vaovao io. Dingana goavana, araka izany, no vita. Ny minisitry ny Fam­piro­boro­boana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC), Razafindravahy Ed­gard matetika no nanasongadina ny maha zava-dehibe ny lalàna momba ny fampiasam-bola hanatsarana ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana.
Ny lalàna teo aloha izay nolaniana tamin’ny taona 2007 dia tsy mifanaraka intsony amin’ny zava-misy sy ny takin’ny vanim-potoana ankehitriny.
Hampifanarahana amin’ny fenitra iraisam-pirenena mo­mba ny fampiasam-bola ity volavolan-dalàna vaovao ity. Voalaza amin’izany, ohatra, fa ao anatin’ny mangarahara no hanatanterahana ireo dingana ara-panjakana rehefa hampiasa vola eto Madagasikara.

Fampitoviana lenta ny Malagasy sy ny vahiny
Ny foto-kevitra ifantohana ny hiantohana ny fampitoviana lenta ireo mpampiasa vola tera-tany malagasy sy vahiny manoloana ny fampiasam-bola ataony, eo koa ny fampifanarahana ny lalàna lasitra amin’ny fampiasam-bola amin’ireo lalàna isan-tsehatra misy eto Madagasikara.
Ny dingana manaraka dia ny fandefasana io volavolan-dalàna io eny amin’ny an­drim-panjakana mpanao lalàna : ny Antenimieram­pirenena sy ny Antenimieran­doholona.

Ndrina

CRDA* : Commission de Réforme sur les Droits des Affaires

Partager sur: