Namoaka ny fanapahany, manoloana ny fangataham-panazavana nataon’ny eo anivon’ny HCDDED ny ao amin’ny HCC ny faran’ny herinandro teo. Nolavin’ny avy etsy Ambohidahy izany.
Tsy azo raisina ny fangatahan’ny filohan’ny HCDDED fa misy ny tsy fanajan’ny filohan’ny Repoblika ny And. 49 amin’ ny lalàmpanorenana, ka tokony hampiatoana amin’ ny asany azy. Io ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ny faran’ny herinandro teo, momba ny fangatahan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED) milaza fa misy tsy fanajana ny And. 49 amin’ny lalàmpanorenana ny filohan’ ny Repoblika ka tokony hampiatoana amin’ny asany. Azo raisina ary mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny fangatahan’ny HCDDED amin’ny fijerena raha mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana na tsia ny fanambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ny birao maharitra tamin’ny 8 desambra 2022.
Tsiahivina fa depiote 23 no mangataka ny fampiatoana ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany fa misy ny tsy fanajana ny lalàmpanorenana nataony araka ny Andl. 1 sy 2 amin’ny And. 49. Tsy nahatratra ny fetrisa ilaina amin’izany izy ireo, ka tsy afa-mangataka ny hevitry ny HCC. Noho izany, nangataka ny HCDDED izay afa-manao izany fangatahana izany eny amin’ny HCC izy ireo.
Tsy asan’ny HCDDED ny mampiato ny filohan’ ny Repoblika
Tsy asan’ny HCDDED anefa ny mampiato ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany na manao fitsipaham-pitokisana ny governemanta, fa asan’ny Antenimierampirenena ka tsy tokony hotsabahiny. Ny fijerena ny fampiharana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna no asan’ ny HCDDED. Ny olom-boafidy ihany no mahazo manasazy ny olom-boafidy, araka ny lalàna.
Raha ny momba ny Andl 1 sy 2 amin’ny And. 49 amin’ny lalàmpanorenana, iharan’ny fampiatoana amin’ ny asany ny filohan’ny Repoblika raha mandray anjara amin’ny antoko politika na fikambanana. Ao amin’ny And. 60, milaza fa afa-mandrava ny Antenimierampirenena izy.
R. Nd.