Filoha Andry Rajoelina : naneho fitiavana ny any Atsimo Andrefana

Nitsidika ny any Atsimo Andrefana, nanomboka tao Toliara, ny filoha Rajoelina Andry mivady, ny faran’ny herinandro teo. Noporofoiny ny fitiavany ny any amin’iny faritra iny, indrindra taorian’ny nandalovan’ny rivodoza Freddy. “Tsy mifanary isika ary tsy maintsy mifanampy na amin’ny mora na amin’ny sarotra”, hoy izy. Nanteriny fa tsy miova ny tenany ary vonona hatrany hifanome tanana sy hifanampy.
Nambarany fa efa an-dalana ny kamiao miisa 10 mitondra kojakoja ho an’ny ankizy : fitaovam-pianarana, kilalao…Nitohy amin’ny fizarana sakafo ho an’ireo traboina maherin’ny 900, ao amin’ny Lycée Antaninarenina izany, niarahana amin’ny fikambanana Fitia, tarihin’ny vadiny, Rajoelina Mialy.

Tsy mihatsaravelatsihy ny vahoakan’i Toliara

Natsidiny fa hoharenina ireo simba ary hanorina koa satria mendrika fotodrafitrasa maharitra ny vahoakan’i Toliara. Hisitraka fanampiana eo amin’ny vola “Miavotse” koa ireo fianakaviana marefo sy ireo traboina.
Nitohy tao amin’ny kianja “Maître Kira” izany, omaly, ka nihaonana tamin’ny vahoaka sy fizarana fanampiana. “Tsy maintsy mahazo fanampiana avokoa, indrindra fa ny vary ireo rehetra tonga eto na tsy nahazo tapakila aza”, hoy izy. Notsindrin’ny filoha fa be risi-po sy tsy mihatsaravelatsihy ny vahoaka any an-toerana. Milamina sy be fitiavana, araka ny nambarany. Natsi­diny fa hojerena ny fomba hanarenana haingana ny fotodrafitrasa, simba, ankoatra ny fanomezana fanampiana ahafahan’ny mponina mameno ny fiainany mandritra ny iray volana. Nisitraka “Kits solaires” koa ireo fianakaviana voafantina. Horesentsika amin’ny mazava ny haizina, araka ny nambarany hatrany.

Fotodrafitrasa toy ny lalana, CSB, sekoly…

Etsy andaniny, nahazo moto tahaka ny any amin’ny toerana hafa koa ireo ben’ny Tanàna rehetra any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. “Kajio tsara ny fitaovana, ary manantena izahay fa hiasa hanakaiky ny vahoaka ianareo”, hoy izy.
Notanisain’ny filoha fa betsaka ny asa natomboka sy ny efa vita. Anisan’izany ireo CSB II sy ny sekoly ary koa ny biraom-panjakana. Eo koa ny lalankely…
Nanolotra “Ambulances 4×4” ho an’ny ao Toliara I sy II, Ampanihy, Beroroha, ary koa ny any Morombe ny tenany avy eo. Nampanantena fotodrafitrasa, ho an’ny tanora, ho an’ny vahoaka eo amin’ny lafiny fanatanjahantena, ny fampianarana, ny fahasalamana ny filoha mba ho taratry ny fampandrosoana. Nambarany koa fa hitady vahaolana amin’ny rano miakatra lava ao Toliara ny tenany.
Nitohy amin’ny fihaonany amin’ny mponin’i Mangily izany. Mpanjono ny maro amin’izy ireo ary anisan’ny nitondra faisana noho ny rivo-doza. Nambaran’ny filoha fa hizarana fitaovana momba fanatanjahantena izy ireo, ankoatra ny vola nozaraina ho fanohanana avy hatrany. Hisitraka fanofanana eo amin’ny asa ary hizarana fitaovana, toy ny milina fanjairana koa ny fikambanam-behivavy ao an-toerana. Ho avy koa ny fanofanana momba ny fanodinana ny hazan-dranomasina. Hanampy izany hisitrahan’ny mponina ny Vary mora, hovidiana antsasa-bidy.

Synèse R.

Partager sur: