Misy mitady vy sy aluminium hatramin’ny 5000 tapitrisa t isam-bolana eto Madagasikara, aondrana any ivelany. Tsy misy fanarahan-dalàna ny varotra anatiny amin’izany fa varotra gaboraraka avokoa. Izay no maha betsaka ny halatra vy raha eto Antananarivo, vidina 800 Ar ny kilao.
Ny masonkarena miala amin’ny tena mpanondrana, ny karaman’ilay mpanangona, ny hofan’ny kaontenera, ny fitaterana mankany Toamasina handraisan’ny sambo azy. Ny haba alain’ny fadintseranana ihany koa, raha ara-dalàna, no vola miditra amin’ny fanjakana.
Mila hentitra ny fanjakana amin’ny fanaraha-maso io karazam-barotra io. Ankoatra ny halatra izay miseho lany matetika, miteraka tsy fandriampahalemana goavana amin’ny fokontany maro ny halatra vy.
Ndrina