Notanterahina tao amin’ny kianjakelin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana nasionaly “Nach No- Gi 2023” andiany voalohany, amin’ny taranja Jiu-Jitsu. Natao hifantenana mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hanao ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany na “Mondial 2023”, any Abu-Dhabi,ny 23 novambra ho avy izao ny fifanintsanana. Araka ny fanazavan-dRakotozafy Johary, filohan’ny Federasiona malagasin’ny Jiu-Jitsu (FMJJ), maro ireo atleta malagasy mahafehy ity taranja ity, porofon’izany ny nahazoantsika ny medaly volamena 13 sy volafotsy 2 ary alimo 3, nandritra ny “Open d’Afrique”, ny volana novambra 2022 lasa teo. Nahatratra maherin’ny 200 isa ny mpandray anjara tamin’ny Nach No-Gi 2023. Nandefa solontenany avokoa ireo faritra telo mandrafitra ny FMJJ, anisan’izany Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra. Raha ny vaovao farany, mety hisy fiofanana ataon’ ny FMJJ, ny volana jona ho avy izao. Izany dia hiarahana amin’ilay atleta aostralianina iray voky traikefa amin’ny Jiu-Jitsu. Tsiahivina fa vao nitsangana ny volana janoary lasa teo ny FMJJ.
Fitia (Mpianatra asa)