Nahazo vokatra tsara indray ny solontena malagasy, niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, notanterahina tany Tunis, ny 9 hatramin’ny 12 marsa lasa teo. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior, Rasoanaivo Razafy Laura.
Mitohy hatrany ny fametrahan-dRasoanaivo Razafy Laura ny anarany, eo amin’ ny sehatra afrikanina, ho an’ ny taranja Judo. Nihofahofa indray ny sainam-pirenena, ny zoma lasa teo, rehefa nandrombaka ny fandresena teo amin’ny famaranana Junior, latsaky ny 70 kg , izy. Goavana ny fandresena azon’i Laura, satria ilay teratany Lituannienne, Pileckaite Ugne, izay laharana faha-6 eran-tany mihitsy no nolavoiny, teo amin’ny famaranana. “Mafy ny mpifanandrina fa efa nanomana mafy ihany koa”, hoy ny nambaran’ity Judoka Malagasy manana ny maha izy azy ity. Laharana fahatelo teo amin’ity sokajy -70 kg ity kosa, Magdy Farida (EGY) sy Benchallal Dyhia (ALG).
Tsy vao izao no mamiratra Rasoanaivo Razafy Laura fa efa diso fantatra loatra izy, raha fandresena no resahana. Tompondakan’i Madagasikara nisesisesy. Nahazo ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy natao tany Maorisy, ny taona 2019. Mbola nisalotra ny medaly volamena ihany koa tamin’ny “Tournoi international” tany La Réunion, ny taona 2020. Tsy vitan’ izany fa efa tompondakan’i Afrika i Laura, ny taona 2022 nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany ary izao mbola voahosotra ho tompondaka izao indray tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika natao tany Tunis ity. « Mbola tsy tapitra hatreo ny tanjoko, mbola miandrandra medaly volamena aho amin’ny lalao Olympika 2024 », hoy ny fanamafisan-dRasoanaivo Razafy Laura.
Raha hiverenana ity fifaninanana tany Tunis ity, firenena 38 no nifaninana, nahitana mpifaninana 123 lahy sy 85 vavy. Firenena afrikanina miisa 5 no tonga nandray anjara nandritra izany.
Mi.Raz