Nahomby ny fifaninanana lomano « Vive l’Avenir », andiany faha-11, notontosaina tetsy amin’ny dobo filomanosana ANS Ampefiloha, ny faran’ny herinandro teo. Zava-bita tsara indrindra iray no montsana tamin’izany. Teo amin’ny hazakazaka mifampitohy, sokajy 14taona mihoatra vehivavy, izay vitan’i Finaritra, i Antsa ary i Estellah avy ao amin’ny klioban’ ny Managing. Tao anatin’ny 2’14’’48, no nanaovan’izy ireo izany, raha 2’21’’19 no fe-potoana teo aloha, izay vitan’i Antsa, Aitra ary Samantha avy amin’ny Managing ihany, tamin’ny 17 marsa 2019. Ho an’ny fifaninanana hazakazaka mifampitohy ihany koa fa teo amin’ny zazalahy 14taona mihoatra, nahavita nanatsara fe-potoana i Francky, i Daniel, i Mamitiana ary i Jonathan avy ao amin’ny klioban’ny Managing, izay nahavita izany tao anatin’ny 01’56’’13. Tsy matiny kosa ny zava-bita tsara indrindra (01’55’’05).
Tsiahivina, mpilomano 256 avy amin’ny klioba 12 tamin’ireo ligim-paritra 5 no namaly ny antson’ny klioban’ ny Saint Michel mpikarakara. Niavaka tamin’ity andiany ity, ny nanatanterahana ny lalao famaranana tamin’ny andro alina. Teo ihany koa ny fandravahana nahafinaritra ny tetsy amin’ny dobo filomanosana ary indrindra ny fampiasana ny fahitalavitra lehibe, nahafahana nijery ny filaharan’ny mpilomano nandritra ny hazakazaka. Afa-po ny mpikarakara, araka ny nambaran’ny filohan’ny klioba, Raveloson Mick Rolland. « Manana ny lanjany eo anivon’ny spaoro eto Madagasikara ny sampana lomano”, hoy hatrany ity filohan’ny klioban’ny Saint Michel ity.
Mi.Raz