“Magnafana 2023”: nanao hetsika fizaham-pahasalamana any Atsimo ny “Bataillon médical”

Ao anatin’ny vinan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa ny
hanamafisana ny hetsika ara-tsosialy eny anivon’ny vahoaka, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny rivodoza izao.

Manoloana izany, na­natanteraka hetsika fizaham-pahasalamana antsoina hoe “Magna­fana 2023” any amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy, faritra isan’ireo voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy ireo miaramila avy ao amin’ny “Bataillon mé­dical” Ampahibe. Tao Manan­jary no nanombohan’izy ireo izany, ny 4 marsa lasa teo, ka fizaham-pahasalamana maimaim-poana, fitsaboana nify, fanaovana vaksiny ireo zaza no anisan’ny asa nataon’izy ireo. Miara-miasa akaiky amin’ ny mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana izy ireo, miampy ny tohana ara-teknika avy amin’ny Direction centrale du service de santé militaire (DCSSM). Nitohy tao Mana­kara ny hetsika, ny 9 marsa 2023, ka marary maherin’ny 800 no efa nisitraka izany fi­tsaboana tao an-toerana.
Ny “Bataillon medical” (BMA) dia rafitra vaovao napetraka tao anatin’ny fani­tsiana ny rafitry ny Tafika, eo ambany fibaikoan’ny Kly Ravaoavy Hariniaina ary ahitana miaramila mpitsabo sy mpisehatra ara-pahasalamana maro. Misahana sy miahy ny fahasalaman’ireo miaramila, indrindra ireo mamita iraka eny an-kianja. Manampy ny vahoaka malagasy amin’ny fiatrehana ireo ambana marolafy ka anisan’izany ny Covid-19. Nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo miaramila mpitsabo ireo tao anatin’izany. Hamafisina fa ny fananana miaramila mpitsabo ao anatin’ny ekipa manatanteraka ny iraka eny an-kianja dia mampihena ny taham-pahafatesana raha misy faharatrana sy tsy fahasalamana.

Jean Claude

Partager sur: