«Malgache» hosoloina «Gasitsara» : hisy fiantraikany amin’ny toekarena ny fanovana

Efa misy ny resy lahatra ! Tao anatin’ny taona vitsivitsy, maro amin’ny Malagasy no nahatsikaritra sy miombon-kevitra fa mila ovaina ny « Mal­gache » izay nohagasiana ho « Malagasy ». Namoaka ny voka-pikarohany ny Dr. Randriamahenina Fabrice, mpitsabo sady mpikaroka momba ny fomba amam-panao sy ny fiarahamonina mala­gasy, nanambara fa : «  « Ga­si­tsara » no tokony hiantsoana ny Malagasy satria hanana fiantraikany lehibe eo amin’ ny toe-tsaina sy ny zava-misy marina izany ».
Raha ny fanazavany, « ha­hazo tombontsoa lehibe amin’ izany ny toekarena satria, « ilay toe-tsaina Gasitsara, mandrisika ireo tantsaha, hanana finiavana sy fandavan-tena tia miasa, tia karokaroka, tia mianatra, tia miray hina, maharaka ny teknolojia. Vokatr’ireo, eny ambanivohitra: hitombo ny velaran-tany hambolena. Voakajy ny ton­tolo iainana. Ampiasaina ny teknolojia. Hitombo ny vokatra ary hihatsara ny kalitaony. Rehefa velona ny tantsaha dia velona isika ».
Ety an-tanàn-dehibe, raha vao miteny hoe «vita gasy», mampanahy sahady ny kalitaony, vokatry ny toe-tsaina « malgache ». Lasa mirona amin’ny fanafarana ny vokatra avy any ivelany. Ilay toe-tsaina « Gasitsara », anefa, mandrisika ireo teknisianina ho tia karokaroka. Manatsara ny kalitaom-bokatra. Tia mampitombo traikefa, mamorona… « Na ilay fiantsoana « vokatra Gasitsara » aza dia efa manome lanja lehibe ho an’ilay vokatra. Izay ilay herin’ ny teny. Tsy hitsanga-menatra intsony isika amin’ny vokatra avy eto amintsika », hoy ny Dr. Randriamahenina Fabrice.
Hitombo ny fanjifana satria hiova ny fomba fijery avy eto an-toerana sy ny avy any ivelany. Ho betsaka ny lalam-barotra ary ho betsaka ny tombontsoan’ireo mpamokatra sy ireo mpanodina ary ireo mpandraharaha (eto an-toerana na avy any ivelany). « Hitombo ny vola vahiny mi­ditra. Ny vola eto an-toerana, mihodina eto ihany. Hisitraka izany avokoa ny vahoaka sy ny fanjakana », hoy izy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: