Razanajatovo Mamisoa, vehivavy mpihira momba ny “Lyrique”. Teratany malagasy, manorim-ponenana any Frantsa izy. Ao anatin’ny fandalovany eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, nisy ny fampisehoana notanterahiny teny amin’ny Café du Musée, Andohalo, nanamarihany izany fandalovany an-tanindrazana izany. Nianatra momba ny hira milamina sy ny lanton-kira frantsay ary ny “airs opera” tany ampitan-dranomsaina izy, ary mbola manohy izany hatramin’izao. Nizara sy nanome ny fahaizany ho an’ny mpiray tanindrazana aminy i Mamisoa tao anatin’ny fandalovany eto Madagasikara. Ankoatra izay, nisy ny tolotra sy fanomezan-tanana ho an’ny ONG Le lémurien de Madagascar. Ity vondrona tsy miankina amin’ ny fanjakana ity, izay manana vina ny amin’ny fanampiana ny fianakaviana sahirana ara-pivelomana. Ankoatra izay, misehatra amin’ny lafiny sosialy rehetra sy ny ara-panabeazana ihany koa ny ONG Le lémurien de Madagascar.
Vonona hatrany Razanajatovo Mamisoa, hitondra ny kanto sy ny talentany hanasoavana ny mpiara-belona aminy, indrindra ny mpiray tanindrazana.
Lin (Mpianatra asa)