Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny kaominina Manakambahiny, distrikan’Ambatondrazaka, ny zoma hifoha sabotsy teo. Maty voatifitry ny zandarimaria ireo olona efatra tompon’antoka, namono nahafaty an’ilay renim-pianakaviana talen-tsekoly sy ny zanany vavikely.
Nampivarahontsana ny tranga nahazo an’ireo mpianaka novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, ny talata teo, tao amin’ny fokontany Antanimena, kaominina Manakambahiny andrefana, distrikan’Ambatondrazaka. Taorian’ny famotorana nataon’ny zandary, fantatra avokoa ireo jiolahy nahavanon-doza. Lehilahy iray efa niasa tao amin’izy mianaka ny iray niaraka tamin’ireo namany telo hafa. Ny zoma teo, niroso tamin’ny vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Nitondra vokatra izany ka lavo avokoa ireo efa-dahy tompon’antoka tamin’ilay vono olona. “Ny fahitana ilay kibota nentin’ireo nahavanon-doza no nahafahana namantatra an’ireo jiolahy ka tratra ny iray. Izy indray avy eo no nanondro an’ireo namany hafa”, hoy ny fanazavan’ny zandary mpanao famotorana. Teny an-dalana, nandositra anefa ireo olon-dratsy ka voatery nitifitra ny mpitandro filaminana ka samy lavo ireo jiolahy.
Fanolanana tambabe
Nifototra tamina lonilony sy ady tany ity vono olona ity. Ary hiakatra fitsarana anio ao Ambatondrazaka izany.
Naolan’ireo jiolahy ilay renim-pianakaviana talohan’ny namonoana azy mianaka. Nifandimby nametaveta azy ireo olon-dratsy ary nikiaka mafy tamin’izany ilay zanany vavikely. “Mba tsy hahenoana ilay tranga dia novonoin’ireo jiolahy ilay ankizivavikely. Nodidiana antsy ny tendany. Novonoina ihany koa ny reniny”, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Tsiahivina fa tsy nandrenesam-baovao nanomboka ny talata teo ity renim-pianakaviana talen’ny EPP Antanimena ity. Tsy namonjy ny fankalazana ny 8 marsa koa izy ary mbola tsy namoha ny biraony. Vokany, niroso nitady azy tany an-trano ireo mpampianatra ka hita niampatra tao an-dakozia ny vata-mangatsiakan’izy mianaka. Tsy tao intsony koa ny finday ary nikorontana ambony ambany ny trano rehetra. Hita tany Ampasikely saika hamidin’ireo jiolahy kosa ny “kibota” an’ity talen-tsekoly ity. Nitondra tamin’ny famantarana ireo nahavan-doza rehetra izany.
Henintsoa Hani