“Tsy maintsy hisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity. Fanapahan-kevitry ny governemanta iray manontolo ny momba ny datim-pifidianana amin’ny fotoana mahamety azy”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny amin’ny Cercle Mess Soanierana, ny faran’ny herinandro, taorian’ny fivorian’ ireo manamboninahitra tomponandraikitra eo anivon’ny Tafika, nanomezana toromarika amin’ny fiatrehana izay mety ho ambana amin’ny fizotran’ny pifidianana.
Mazava ny tetibola
Mazava ny tetibola hanatanterahana fifidianana, fa efa ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola. Raha mbola misy tokony hanampiana izany, manatanteraka ny governemanta. Efa nentin’ ny Ceni ny fanapahan-keviny momba ny datim-pifidianana. Toy izany koa ny fakany ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Na ny momba ny daty mifanindry amin’ny fotoam-pahavaratra izany; na ny amin’ny fihenana folo andro ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika, raha amin’ny 9 novambra ny fifidianana fihodinana voalohany. Mandinika momba izany ny governemanta.
R. Nd.