Rakotozafy Lalanirina Rosa: nanomboka tamin’ny fanatanjahantena tany an-tsekoly, lasa tompondakan’i Afrika

Mpihazakazaka malagasy nanomboka ny taona 1993, nitondra avo ny voninahi-pirenena na­nerana an’i Afrika.Tsy iza izany fa Rakotozafy Lalani­rina Rosa. Tsy nanana taranja manokana izy tamin’ny voalohany. Nanao Basikety, Volley ary ny atletisma no tena nifantohany. “Ny mpampianatra EPS ahy tamin’zany, M.Desiré na Radezy, no nitondra ahy nikotrana tao amin’ny Saint François Xavier Ambato­mena, noho ny fahitany ahy natanjaka. Nianatra tao amin’ ny CEG Tsianolondroa aho tamin’izany”, hoy ny fitantarany ny niantombohany nanao ny taranja atletisma.
Nanao Cross, 800 m, 400 m Haies ary niafara tamin’ny 100 m Haies, niaraka tamin’ny Ramose Ramananoro Augus­tin i Rosa, tamin’izany. “Eto aho dia misarika ny saintsika ny amin’ny maha zava-dehibe ny fanatanjahantena eny anivon’ ny sekoly satria eny no taniketsa lehibe indrindra sy sehatra hamolavolana ny mpanao fanatanjahantena malagasy” hoy ny nohamafisiny.

Lehibe tao amin’ny
klioban’ny ASSFX
Nanomboka teo amin’ny nitondran’-dRamose Dezy azy tao amin’ny SFX, tsy nijanona intsony, Rakotozafy Rosa fa niatrika fifaninanana nasio­naly foana niaraka tamin’ny klioban’ny ASSFX. Nalain’i Frère Fazio nanohy fianarany tao amin’ny SFX izy rehefa afaka BEPC, nanamorana ny fanazaran-tena isaky ny atoan­dro. «Tena nanamarika ahy ny nataon’ny Frère Fazio tamiko izay nanampy sy nanome lanja ahy naha toy izao ahy”, hoy i Rosa. Ankoatra ny ASSFX, tao amin’ny Racing Club de France sy Darra Atletica Vige­vano ihany koa i Rosa. Maro­mao ireo mpanazatra nandray azy, toa ny Entraîneur Hervé Stéphan, i Alain Smail, Rama­nanandro Justin ary Radezy.

Tsikaritr’i M.Hervé Stephan ny fahaiza-
manaon’i Rosa
Nandray anjara tamin’ny “Jeux de la Francophonie” natao teto Madagasikara, Ra­kotozafy Rosa, tamin’ny taona 1997. Tamin’io fotoana io no nahatsikaritra ny fahaizany sy ny tanjaka nananany , ny Ex­pert Frantsay, M.Hervé Ste­phan, ka niteny taminy fa handray azy ao amin’ny Ivontoe­rana fanofanana iraisam-pirenena any Dakar. Ivontoerana natao hanofanana atleta Elites eto Afrika, taranja atletisma izy io ary tompondaka an’i Afrika sy tompondaka eran-tany daholo no niofana tao tamin’ izany.

Tompondakan’i Afrika ny taona 2002 sy 2004
Tena nanamarika an-dRako­tozafy Rosa, ny nahazoany ny tompondakan’i Afrika, ny taona 2022. Nizerianina 3 vavy matanjaka be taty Afrika no nifanandrina taminy tamin’ izany fa resiny. “Tonga tao amin’ny Stade d’échauffement aho ary izaho moa efa manana fahazarana avy dia mametaka Haies sy starting-bloc. Nisy Nizerianina iray naka ilay izy avy hatrany, ka nifindra aho. Tonga teo koa nefa ilay faharoa ka nalainy indray ilay izy, ka nifindra fanitelony aho”, hoy ny fitantarany. Tsy niraharaha izany anefa izy fa ny tao an-dohany dia ny hahazoany vokatra tsara. “Nire­saka tamiko Adidas fa raha tsara performance dia ampiany ary raha voalohany misolo tena an’i Afrika Coupe du monde, izay no nataoko tao an-tsaina”, hoy hatrany ny nohamafisiny.

Fianakaviana tia
fanatanjahantena
Miaina ao anaty ankohonana tia fanatanjahantena i Rosa. Manao basikety sy lo­mano ny vadiny, manao basikety ihany koa ny zanany vavi­matoa ary milomano sy mandihy ny zanany roa. Niaraka nisongadina taminy teo amin’ ny tontolon’ny fanatanjahantena kosa ry Rakotondrabe Hanitra, Zoky Lalao Robine, Aurélie, Jonary, Ony Paule, Rabenala Toussaint, Yvon, Bako, Lalaina, Dally, Natacha, Naina Cécilia, Tojohanitra, …
Tsy mamihina irery ny fahaiza-manaony izy fa mi­zara ny traikefany ihany koa. Maro ireo atleta arahiny “psy­chologiquement”.
“Tsy mora ny fahazoana vokatra fa mila ezaka be, fihafiana isan-karazany satria ianao raha miandrandra vo­katra dia tsy afaka hanana fomba fiaina mitovy amin’ny rehetra. Raha ny olona manao fety , ianao mila maka aina. Ny olona vakansy, ianao eo no tena afaka manomantena”, hoy ny hafatr’i Rosa. Mila mametraka tanjona mazava, hoy izy ary atao izay hahatrarana izany. Mila mahay mi­haino ny torohevitry ny mpanazatra ihany koa.
Hisaorako etoana ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fanampiana sy fanohanana ahy rehetra hatramin’izay ka hatramin’izao, ny minisitra Tinoka Roberto sy ny ministra Haja André Resampa amin’ny fahatokisana apetraka amiko, izay tena zava-dehibe. « Ny mpanao fanatanjahantena dia manana ny atao hoe ” Culture de Résultat ” ka tsy afaka handraraka ilom-by an-doha ireo raiamandreny hajaina rehetra amin’ny fandraisana andraikitra », hoy ny namaranany ny resaka nifanaovana tamin-dRakotozafy Rosa.

Mi.Raz

PALMARES

– Tompondakan’i Madagasikara nifanesy
– Tompondakan’i Afrika 100mHaies (2002, 2004)
– 4 voalohany tamin’ny « Coupe du Monde Athlé­tisme », tany Espagne (2002)
– Fandraisana anjara tamin’ny lalao iraisam-pirenena goavana rehetra teo amin’ ny Athlétisme (Jeux des îles, Jeux Afri­cains, Jeux de la Franco­phonie, Jeux Olympiques, Championnat du monde, Championnat d’Afrique)

Andraikitra :
– Efa SG ny Federasiona malagasin’ny Atletisma
– Efa DSF (Directeur sportif fédéral)
– DGS (Directeur général du sport)
– Filohan’ny AMAO
– Membre COJI , JIOI 2023

Sehatra iraisam-pirenena :
– Filohan’ny CIGEPS (2020-2022)
– Filoha lefitry ny CIGEPS eto Afrika (ankehitriny)
– Filohan’ny « Organisation Régionale Antidopage de l’Océan Indien » (Anke­hitriny)
– SG « Commission Sport de l’Union Africaine Région »

Partager sur: