RN7: fiara niala tany nihotsaka nifandona

Olona valo naratra vokatry ny fifandonan’ny fiara tsy mataho-dalana iray sy taksibrosy teo amin’ny lalam-pirenena faha-7, PK-254 + 050, ny sabotsy teo tamin’ny 7 maraina. Avy any Atsimo ity fiara 4×4 ity ka sendra tany nihotsaka tao anaty arabe. Niala io tany io ny mpamily kinanjo nifatratra tampoka tamin’ny taksibrosy mampitohy an’Antsirabe sy Ambositra. Naratra ny mpamily ilay fiara tsy mataho-dalana niampy ireo olona fito tao anaty taksiborosy. Nentina nihazo ny CHRR Ralalao avy hatrany nanaraka fitsaboana izy ireo. Niditra an-tsehatra nanala ny tany nibahana teo anaty arabe ny tomponadraikitra ao an-toerana. Niverina amin’ny laoniny fotoana vitsy taorian’ny loza ny fifamoivoizana.

Tsiferana R.

Partager sur: