Niditra teo amin’ny andro faharoa ny fifaninanam-pirenena taranja rugby “XXL Top 20”, omaly alahady. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ ny kianja Makis Andohatapenaka. Mbola tojo faharesena indray ny JSTA Ambondrona, nanoloana ny SCB Besarety, tamin’ity. Niondrika tamin’ny isa 30 no ho 21 ry zalahy. Nifandimbiasana ny nitarika ny isa teny amin’ny solaitrabe. Teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, nanantombo tamin’ ny isa 15 no ho 10 Ambondrona. Fidirana faharoa, nampiasa ny tolotolotra haingam-pandeha i Besarety, notarihin’ i Eric sy i Rinoh. Vokany, nahafaty “hors jeu” ny SCB ka lasa 13 no ho 15 ny isa. Mafy ny fifandonana ka maro ny karatra mavo navoakan’ny mpitsara. Niafara tamin’ny karatra mena izany ho an’i Fanomezantsoa (JSTA) ary i Mampionona (SCB). Nahafaty “hors jeu” ihany koa Ambondrona ka lasa 18 no ho 13 avy eo 21 no ho 20 nitarika ny JSTA saingy nihoaran’i Besarety indray izany, 23 no ho 21. Tany amin’ny segondra farany, nahatsoriaka baolina tampoka ny SCB ka tsy nijanona izany raha tsy voatsindry ary nahatonga ny isa ho 31 no ho 20.
Tompondaka