Seho iraisam-pirenena: nahazo ako tsara ny fampisehoan’i Tayc

Am-bolana maro no efa nanomanan’ny mpikarakara sy ny mpankafy an’ity mpanakanto ity ny fampisehoana nataony teto Madagasikara. Ako miabo no azon’ny rehetra tamin’izany fampisehoana izany ary samy afa-po.

Tonga maro nijery sy na­natrika ny fampisehoana nataon’i Tayc ny mpankafy azy, indrindra ny tanora, teto Madagasikara. Araka ny nanapoizana azy avokoa ny zavatra nitranga rehetra. Na dia andro alina aza mantsy ny seho, tsy nahasakana ny mpan­kafy hijery ity mpanakanto an­kafiziny ity. Hipoka tanteraka ary lany avokoa ny tapakila natonta ho amin’izany fampisehoana izany. Azo lazaina ho tratra ny tanjona ho an’ny mpi­karakara, na dia nisy aza ny tsy fahatomombanana kely. Afa-po ny mpijery, indrindra ny tanora mpankafy ny hirany ary manantena ny mbola hisian’ny hetsika manaraka sahala amin’iny.

Tontosa ny zoma 10 marsa 2023, teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny fampisehoana nataon’i Tayc, mpanakanto frantsay avy any Cameroun. Hafaliana sy horakoraka no nameno ny toerana, nandritra ity fampisehoana ity. Anisan’ny hira tena nandrasan’ny mpijery sy ny mpan­kafy teto Madagasikara ny hira “Dodo” sy ny “Le temps”. “Nahafinaritra ny fiarahana. Maromaroa ny sahala amin’ izao”, hoy i Mamitiana, tonga nijery ny fampisehoana.

Hita ho tena liana amin’ny fampisehoana sy ny kolontsaina sahala amin’itony tokoa ny Malagasy, indrindra ny tanora ankehitriny. Tsiahivina fa mpanakanto andrarezina sy manana ny maha izy azy no mahafeno ny Lapan’ny kolon­tsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina izany. Efa maro ihany koa ny mpanakanto va­hiny tonga teto saingy mbola vitsy ny nahafena io toerana io. Taorian’ny teto Madaga­sikara, nisy ihany koa ny fampisehoana nataony tao amin’ ny La Réunion. Fampise­hoana izay nahazoany akony tsara ihany koa.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: